Tahak’ireo fanjaka lehibe nisy tany Eropa tamin’ny Moyen-âge de nisy fanjakana natanjaka koa taty afrika, anisan’izany ny Ampira Malianina.
Tany afrika andrefana no nisy azy ary ny taonjato faha XXV no nahatratra ny faratampon’ny fahamboniany ny ampira satria dia faritra maro anyu Mali, ginea ,senegaly, gambia,borkina faso ary Mauritania ankehitriny no nadrakotra ny fanjakany.
Mansa, izay midika hoe mpanjakan’ny mpanjaka, miisa 3 no azo sokajiana ho mpanjaka lehibe nitondra io fanjakana io: ka volohany amin’izany i Soundiatà Keita izay najaka teo anelanelan’ny taona 1235 ka hatramin’ny 1255. Mansa voloahany nanorina ny ampira.
Faharoa, Aboubakri II (1310-1312) zafikel’i Soundiata
Ary farany, ilay mpanjaka nalaza nohon’ny fananany volamena maro be, Mansa Moussa na Kankan Moussa (1312-1337) zanak’ i Aboubakri II.

Teo ambany ziogan’ny ampiran’i Sosso ny fanjakana kelin’ny Mali tamin’ny voloahany. Taorin’ny ady tao Kirina (1235) , ady nifandrinan’ny Soundiata Keita sy Soumogourou Kanté mpanjakan’ny Sosso izay nandresen’i Soundiata an’ito farany no nahatonga an’ilay fanjakana kely ho lasa ampira, mbola niampy fanjakana maro ilay ampira avy eo nohon’ny fanitarana nataon’i Soundiata.
Fanjakana lehibe ny ampira Maliana ary nisy vanimpotoana tena namirapiratany tao anatin’ny taonjato maro nohon’ny fananany volamena maro.

Ny nampalaza ny Mpanjaka Aboubakri II dia ny fiondranany antsambo hikaroka izay any andrefan’ny ranomasimbe Atlantika,indrisy anefa fa tsy tafaverina intsony izy.
Nandimby azy ny Mansa Moussa ; tamin’ny androny no nanorena ireo tanandehibe niroboroboan’ny varotra, ny teolojia(satria ny ampira dia silamo), ny kolotsaina toa an’i Tombouctou, Gao, Djenné.

Tany amin’ny faran’ny taonjato faha XIV anefa dia nahitana fitotonganany ny ampira nohon’ny fifandrafiana nisy teo amin’ireo fianakaviambe (clan) samy hafa ary ny fanafihana natan’ireo vondrona marokanina antsona hoe Almouravide.